- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversFanodinkodinana vola amina miliara : Lehilahy iray mpiasan’ny banky karohin’ny polisy fatratra

Fanodinkodinana vola amina miliara : Lehilahy iray mpiasan’ny banky karohin’ny polisy fatratra

Volabe manodidina ny 440 tapitrisa ariary no tsy hita tao amina banky iray teny amin’iny faritra Tsimbazaza iny. Mpiasa iray ao amin’io banky io ihany, izay fantatra amin’ny anarana hoe Razakarivony Yves no noahiahiana ho nitondra sy nangalatra ireo volabe ireo tao amin’ity banky ity, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy, ary karohina fatratra amin’izao fotoana izao. « Nahazo fitoriana ny polisy fa tsy hita izay nanjavonan’ity farany ny alakamisy, 10 aogositra, tokony ho niditra niasa tamin’ny 2 ora tolakandro izy nefa tsy tonga. Niandry azy ihany ny tompon’andraikitry ny banky ka tamin’ny 5 ora hariva vao fantatra fa misy tsy mazavazava ao amin’ny kaontin’ny banky», hoy hatrany izany fampitam-baovao izany. Raha ny zava-nitranga mantsy dia tsy hita tao amin’ity banky ity intsony ny vola « versement » mitentina 215 tapitrisa ariary, nataona orinasa mpitatitra vola iray teny an-toerana. Tsy vitan’io vola io ihany anefa fa mbola nisy ambim-bola mitentina eo amin’ny 225 tapitrisa ariary teo ho eo mbola tavela tao amin’ny fitoeram-bolan’ilay banky. Ity olona karohina ity no mitana ny fanalahidin’ny fitoeram-bola raha ny fanazavàna hatrany, ary tamin’ny fotoana nisakafoan’ireo mpiasa tao an-toerana no nanaovany ny asa ratsiny. Ny fiarany ihany moa no nitondràny ireo volabe ireo. Marika « Renault Clio » mitondra ny laharana 9881 TBB io fiara, io araka ny taratasy fampikarohana azy navoakan’ny pôlisy misahana ny heloka bevava etsy Anosy. Voalazan’io taratasy io hatrany fa teny amin’ny Lot IN 25 Anjomakely no adiresy nahitàna azy farany. Araka izany, entanina izay rehetra nahita ity lehilahy ity na ilay fiara, mba hampilaza avy hatrany ny tompon’andraikitry ny filaminana akaiky azy ireo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici