Natolotra ny fampanoavana omaly ilay mpamily sady tompon’ilay fiara Boeing misy rihana nivadika tany amin’ny lalam-pirenena faha-4 tao amin’ny distrikan’Ankazobe ny 31 aogositra lasa teo. Lozam-pifamoivoizana nahatsiravina ka namoizana ain’olona 20 mahery sy naharatrana an-jatony. Tao aorian’ny fanadihadiana dia nanapa-kevitra ny fampanoavana hitazona azy am-ponja vonjimaika mandra-pahatongan’ny fotoam-pitsarana ny raharaha izay voatondro ho amin’ny 18 septambra ho avy izao. Ankoatra ny fisian’ny olona maty tamin’ity loza ity, isan’ny vesatra tsy maintsy hiampangana ity tompon’ny fiara ity ny tsy fahatomombanana ara-teknika teo amin’ilay fiara. Isan’izany ny filazan’ny lehiben’ny sampan-draharaha miandraikitra izany hoe tamin’ny taona 2014 no natao fitsirihana teknika (visite technique) farany ity Boeing ity. Ao ihany koa ny isan’ny mpandeha tao anaty fiara nahatratra hatrany amin’ny 140 raha 79 no voarakitra ao amin’ny “carte grise”. Azo heverina ho samy tompon’andraikitra daholo kosa na ny tompon’ny fiara na ny mpandeha, indrindra ny mpikarakara ny dia. Fantatra fa tanora sy sokoto FJKM avy any amin’ny Faritra Itasy hamonjy fihaonam-be any Mahajanga no nentin’ity Boeing ity. Amin’io 18 septabra io izany no hahalalana izay mbola mety ho fitakian’ireo niharam-boina. Tsiahivina fa isan’ny naratra tamin’ity lozam-piarakodia ity ihany koa ilay mpamily sady tompon’ny fiara sy ny fianakaviany izay isan’ireo mpandeha. Tamin’ity herinandro ity izy vao nivoaka ny hôpitaly.Tao aorian’izay izy vao niatrika ny famontorana azy tao amin’ny kaompanian’ny zandarimaria ao Ankazobe izay niandraikitra ny raharaha.
T.M.