- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversAndaingo Ambatondrazaka : Vehivavy 80 taona, maty voahitsaky ny lamasinina

Andaingo Ambatondrazaka : Vehivavy 80 taona, maty voahitsaky ny lamasinina

Nandriaka indray ny rà. Nitrangana lozam-pifamoivoizana an-dalamby tany amin’iny faritra Alaotra iny, omaly. Vehivavy lehibe tokony ho 80 taona any ho any, no namoy ny ainy teo  noho  eo, raha voadona sy voahitsaky ny lamasinina teo anelanelan’Amboasary gara sy Andaingo. Mbola mifamahofaho be ihany ny tena zava-nitranga tamin’io fotoana io. Raha ny fampitam-baovao azo, dia hoe tsy dia salama saina loatra ity ramatoa ity, ary nikasa ny hiampita tampoka ny lalamby kanefa efa akaiky ilay fiaran-dalamby. Teo amin’ny lohany no voa mafy raha ny vaovao hatrany, antony nitarika avy hatrany ny fahafatesany. Marihana, fa mponina eny amin’iny faritra manodidina ihany ity ramatoa ity, ary lamasinina izay mampitohy an’Ambatondrazaka sy Moramanga no io nahavoadona azy io. Efa mandeha any an-toerana ny fanadihadiana ataon’ireo mpitandro filaminana misahana manokana ny lalam-by, mahakasika ity tranga ity.

Janus / m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici