- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversAndrohibe : Telo lahy nirongo basy nanafika toeram-pivarotana

Androhibe : Telo lahy nirongo basy nanafika toeram-pivarotana

Toeram-pivarotrana enta-madinika iray notafihana jiolahy telo mitam-basy ny zoma hariva teo tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany tany ho any. Tsy fantatra mihitsy hoe jiolahy ireto mpanao ratsy niditra toy ny mpividy rehetra. Tampoka teo anefa dia nandrangaranga basy izy ireo ary nandrahona izay rehetra hitany tao an-trano ka nitaky ny vola rehetra tao amin’ny “caisse”. Noho ny tahotra dia tsy maintsy nanaiky mora foana ny tompon’ny tsena. Rehefa nanazo izay ilainty ire o jiolahy dia nivoaka toy ny tsy nanao na inona na inona ireny. Taorian’izay vao afaka niantso mpitandro ny filaminana ireo voatafika saingy efa nadio ny rano nitan’ireo mpanao ratsy. Araka ny vaovao voaray avy eo anivon’ny mpitandro ny filaminana dia saika mbola hanafika toeram-pivarotana hafa teny Ivandry indray ireto jiolahy ireto. Efa nihaodihaody teny an-toerana izy ireo saingy nandamoka izany. Tonga ara-potoana teny an-toerana ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny Filaminam-bahoaka boriboritany faha-8 etsy Analamahitsy ka vaky nandositra ireo jiolahy. Tena mampiseho ny heriny tokoa ireo jiolahy eto andrenivohitra.  Fantatra, anefa, fa misy ilay hetsika manokana iarahan’ny polisy, ny zandary ary ny tafika manao mba hiadiana amin’ny firongatry ny tsy fahandriam-pahalemana eto Antananarivo sy ny manodidina. Hetsika izay voalaza fa natomboka tamin’ny herinandro lasa iny ary mandritra ny fotoana tsy voafetra.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici