- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversHalatra tany tao Belambo : Nampijaliana nandritry ny adiny dimy ny mpiambina

Halatra tany tao Belambo : Nampijaliana nandritry ny adiny dimy ny mpiambina

Efa hiditra amin’ny faha-03 taonany izao ny raharaha tany eo amin’ireo tompony sy ny fikambanana “fagnanko”. Raha ady teny amin’ny fitsarana hatrany anefa no niseho hatramin’izay, izao mivadika asa fampihorohorona ireo mpiambina ny tany no ataon’ny “fagnanko” izao.

Tsy nahafaly ireto mpikamban’ny “fagnanko” ny tsy mety fahazoan’izy ireo ity tany 164ha an’olona ity, nefa ny volan’olona namarotan’izy ireo izany efa saika azo avokoa, noho fiarovan’ny tompon-tany ny fananany mafy. Nisy ny “fanomanana valifaty” nataon’izy ireo vokatra izay notarihan’ny filohany sy ny zandrin’ilay filoha lefitra ary ilay milaza ho tangalamena tao Belambo ny alahady 06 aogositra teo, araka ny fanazavana azo. Tokony tamin’ny mitatao vovonana dia nogiazan’izy ireo an-keriny tao anaty ala Atoa Theodore 30 taona mpiambina ny tany.

Nandritra ny ora dimy dia voadaroka sy nasiana tady ny tendany, nisy ny fampidirana hazo ny fitombenany izay voatery nidirany fandidiana, efa nokasaina ho tapahan-tendra sy filahiany izy nandritra izany. Noterana ho vidin’ny ainy hadainga ilay mpiambina, fa ny mpampiasa azy no nandoro ny tranon’ilay tangalamena ao Belambo. Nomarihany anefa fa ny tenany no nahita ity tangalamena ity sy ny vadiny nandoro ny tranon’izy ireo. Miaramila telo lahy sendra nandalo hamonjy ny asa fiambenana orinasa no nahaavotra ny ainy. Nandritra izany anefa dia mbola nangalarain’ireto andian’olona ireto ny vola sy ny fananan’ilay mpiambina ny tany.

Ankoatra izay, dia ny talata 08 aogositra teo dia nisy fitsarana mikasika ity raharaha tany manan-tompo ao Belambo Toamasina II ity. Nandritra ny ora iray nitsarana ny raharaha “fandrahonana ho faty, sy fanimbana fananan’olona, ary fisolokiana”, dia namoaka ny didiny ny mpitsara izay mamonja ny filoha lefitry ny “fagnanko” enim-bolana sazy mihatra, sy lamandry 3.000.000 ariary…

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici