Fiara Nissan tsy mataho-dalana avy aty Antananarivo indray no nivadika ambony ambany tany amin’ny lalam-pirenena faha-4 iny ny alatsinainy 14 aogositra tokony tamin’ny 3ora tolakandro. Tao amin’ny tanàna atao hoe Avaratrantokonana, kaominina tsaramasoandro , distrikan’Ankazobe no nitranga ny loza. Nivadika ambony ambany tao anaty tatatra ilay fiara rehefa niala ny lalana. Vokany, maty tsy tra-drano ny lehilahy iray 53 taona izay voalaza fa monina ao Ampivarotanomby, Ambositra. Naratra kosa ny mpamily sy ny mpandeha iray.
T.M.