Lehilahy iray valaza fa nisoloky tamina reseka merikiora no naratra voatifitry ny zandary teo amin’ny kibony. Iray hafa azo sambo-belona rehefa nifanenjehana ny Alatsinainy 14 Aogositra tokony tamin’ny 2 ora tao Tsiroanomandidy. Nirotsaka an-tsehatra ny zandary hisambotra ireto olona ireto tao amin’ny tanàna antsoina hoe Andafiavarattra rehefa nisy olona nitaraina fa vosoloky tamin’ny varotra merikiora sandoka, ny Alatsinainy tamin’ny 3 ora tolakandro. Efa-dahy ireo mpisoloky ary efa noraisin’izy ireo ny vodiondrim-barotra mitentina 1 tapitrisa ariary ka ao amiin’io tanàna io no handoavana ny ambim-bola. Niaraka tamin’ny zandary anefa ireto voasoloky ka raha vao nahita ireo mpitandro filaminana izy efa-dahy dia nitsoaka. Nanao tifidanitra ihany ireo zandary mba hampijanonana azy ireo Tsy nihemotra anefa ireto jiolahy ka voatery nitifitra ireo mpitandro filaminana ka niafara tamin’ny fahatrarana ny roa lahy. Ny roa hafa kosa tafaporitsaka.
T.M.