- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversRN4 – Ankazobe : Sprinter nitondra tafika masina nivadika, mpandeha 17 naratra

RN4 – Ankazobe : Sprinter nitondra tafika masina nivadika, mpandeha 17 naratra

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray tamini’iny lalam-pirenena fahefatra iny omaly.“ Sprinter“ nitondra mpizaika avy any Mahajanga no nivadika teo amin’ny 18 km tsy hiditra ny tananan’Ankazobe, raha an-dàlana hitodi-doha aty Andrenivohitra, ny alatsinainy hariva tokony ho tamin’ny efatra ora teo ho eo. Tsy nisy ny aina nafoy, na izany aza, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary dia nahatratra 17 ireo olona naratra, ary ny efatra tamin’izany no tena voa mafy. Amin’ny avy nitondra mpizaika izay dia fiara nitandahatra maromaro izy ireo tamin’io fotoana io, ka nijanona sy nampidinina avy hatrany ny mpandeha sasany tamin’io fiara hafa, mba nentina namonjena ireo naratra ireto teny anivon’ny toeram-pitsaboana. Izy ireo moa izay efa samy nahazo fitsaboana avokoa, araka ny fampitam-baovao azo. Mpikambana eo anivon‘ny SLK (Sampana Lehilalhy kristianina) avy ao amin’ny Fjkm Miandrarivo Ambanidia ireto olona niharan-doza ireto. Hatreto dia tsy fantatra mazava izay tena antony nahatonga ny loza. Fandehanana mafy sa olana ara-teknika indray ? Ny fanazavàna azo aloha dia hoe fiara mpitatitra mpanao zotra eto an-drenivohitra ity fiara ity, ary « nivadika nankany amin’ny ilany, rehefa nidina tamin’ny làlana misy fiolanana roa misesy ilay fiara ». Izany hoe, na nisy olana teo anivon’ny hisatra na nandeha mafy dia tsy voatanan’ny mpamily ny familiana ka antony nahatonga ny fivadihana.  Mazàna tokoa mantsy, raha ny fanazavàna tompon’andraikitra eo anivon’ny mpitandro filaminana iray dia ireo fiara mpitatitra manao zotra eto an-drenivohitra no tena hiharan’ny loza eny an-dalana rehefa mivoaka lalam-pirenena. Ny antony dia tsotra : eo ny tsy fahazaran-dalana ary ao ihany koa ny fisetrasetrana ataon’ny mpamily satria sendra lalana malalaka. Efa tonga teny amin’ny toerana nisehoan’ny loza, nanao ny famotorana rehetra ary nizaha ifotony ny zava-nisy moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana tao Ankazobe.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici