- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversAmpanihy andrefana : Vehivavy sarona saika hanondrana sokatra 30 isa

Ampanihy andrefana : Vehivavy sarona saika hanondrana sokatra 30 isa

Vehivavy iray no saron’ny zandary tao Ampanihy andrefana raha saika hanondrana sokatra 30 tamin’ny fiara fitaterana ho anyToliary ny 11 aogositra 2017 tamin’ny 11 orasy sasany teo ho eo. Teo am-panaovana fisafoana ny tanàna ireo zandary ka nandalo ny toby fiantsonan’ny fiara fitaterana olona no nahatsikaritra vehivavy iray toa mahimahina teo am-piandrasana fiara ndeha hiondrana ho anyToliary. Teo no ho eo ihany dia nahafantatra ireo zandary, noho ny fiaraha-miasa amin’ireo mpanome vaovao, fa mpanondrana sokatra io vehivavy io. Natao avy hatrany ny fisavana ny entany ka nahitana zana-tsokatra karazan’ilay ataohoe « radiata » miisa 30, izay biby arovana. Nogiazana avy hatrany ireo biby ireo. Ilay ramatoa kosa nentina avy hatrany tany amin’ny tobin’ny zandary mba hanaovana fanadihadiana. Rehefa nanontaniana izy dia nilaza fa hataony fanomezana hono ireo biby ireo, saingytsy nety nilaza ny anaran’ny olona handefasana izany kosa izy. Marihina fa misy ny fiaraha-miasa eo amin’ny Zandarimaria sy ny Tompon’andraikitry ny Tontolo iainana amin’ny raharaha toy itony. Ity farany izay tsy maintsy manao fitanana an-tsoratra ihany koa sy mandray an-tanàna ny fiahiana ireo biby ireo mandra-pamerenana azy any anaty natiora.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici