- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina II : “Dokotera” mibizina “lay misy odimoka” ho an’ny vahoaka

Toamasina II : “Dokotera” mibizina “lay misy odimoka” ho an’ny vahoaka

Ela nitoratorahana ity “dokotera” antsoina hoe “Samson” miasa ao amin’ny toeram-pitsaboana, CBS II, kaominin’Ampisokona, distrikan’i Toamasina II, ka tratra ihany nony farany amin’ny fibizinana ireo “lay misy odimoka” ho an’ny vahoaka avy amin’ny mpamatsy vola sy ireo mpiara-miombona antoka ary ny fanjakana malagasy, entina hiadiana amin’ny tazomoka ao Toamasina II. Efa ela no narahin’ny fiarah-monina maso izao bizina “lay misy odimoka” ho azy ireo ataon’ity mpitsabo ity izao, efa nisy mihitsy ny fitarainana nataon’izy ireo teo anivon’ny kaominina sy ny mpitandro ny filaminana, saingy ny porofo mikasika izany no tsy mbola nisy hatramin’izay. Teo am-pitondrana ireto “lay misy odimoka” tamin’ny moto tamin’ny lalam-pirenena faha-5 nihazo an’i Toamasina renivohitra ilay ramatoa no saron’ny zandary teo anelanelan’Analamalotra sy Ampilaolava, niaraka tamin’ny gony iray feno “lay misy odimoka” an’ny fanjakana. Notambazan’ity ramatoa 20.000 ariary ireto zandary nahatratra azy, saingy heloka misy mpitory ny vitany ka nentina natao fanadihadiana teo anivon’ny kaompanian’ny zandary Toamasina izy. Tsy mbola nilaza ny heviny ny talem-paritry ny fahasalamana Atsinanana, sy ny “medecin inspecteur” misahana an’i Toamasina II, mikasika izao raharaha izao. Ingahy Samson koa anefa fantatra fa manana fitoriana hafa tamina trosan-jezika 600.000 ariary ihany koa ankehitriny ao amin’ny zandary…

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici