- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversFanendahana anaty taxibe : Hanao hetsika manokana ny Polisim-pirenena

Fanendahana anaty taxibe : Hanao hetsika manokana ny Polisim-pirenena

Mba hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana izaymahazo vahana eto Antananarivo sy ny manodidina, Nanambara nyPolisim-pirenena omaly  fa misy ankehitriny ny hetsika manokana ataon’izy ireo. Momba ny fisian’ireo jiolahy manendaka any anaty taxibe manokana. Nanome toky ny talen’ny Filaminam-bahoaka, Rakotoarimanana Herilala,izay nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly, fa efa misy ny fepetra noraisina amin’izao fotoana izao. Isan’izany ny fandefasana polisy manao fanamiana sivily any anaty fiara fitanterana any. Eo ihany koa ny fametrahana polisy manao fanamiana eny amin’ireo toeram-piantsonana  na « arret-bus » amin’ireo faritra heverina ho mafampana toa ny eo: Anosy, Ampefiloha, Andavamamba, 67 ha, ary Namontana. Koa manentana ny mponina ity tomponandraikitra ambony ao amin’nyPolisim-pirenena ity mba tsy hanana ahiahy amin’ny famendrofendroana ataon’ny olona sasany mikasika ny tsy fandriampahalemana eto Andrenivohitra sy ny manodidina.

Eo amin’ny lafiny fifamoivoizana ihany, Nanambara ihany koa ny avy ao amin’ny Polisim-pirenena fa ho hentitra amin’ny fanaraha-maso ireo fiara mampiasa famantarana manokana natao ho an’ny mpitondra fanjakana Ambony toy ny«gyrophare», ny«concarde», ny fitatra mainty na «vitre fumée». Ampiasain’ny olona sasany izy ireny hanafenana nyzavatra tsy mety sy tsy hanajana ny lalanan’ny fifamoivoizana na koa hanaovan-dratsy fotsiny izao aza. Tsy maintsy hisy,noho izany,ny fisavana hatao amin’ireo fiara izay mitondra ireny fitaovana ireny. Hojerena ihany koa hatrany amin’ireo mpivarotra azy ireny. Koa miangavy ny rehetra voakasika amin’izany nyTalen’ny Filaminam-bahoaka mba tsy ho sarotiny raha sendra voasavan’ireo polisy eny an-dà lana. Nomarihiny fa fanentanana aloha izao no atao  mialoha ny hampiharana ny sazy ho an’izay minia tsy manaja ny lalàna.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici