- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversBoriboritany voalohany : Mpanedaka 5 lahy sarona, gadra afaka ny 3

Boriboritany voalohany : Mpanedaka 5 lahy sarona, gadra afaka ny 3

Manoloana ny fahamaroan’ny fitarainana voarain’ny Polisy miasa ao amin’ny Boriboritany voalohany etsy Analakely mahakasika ny fisian’ny mpanendaka mandritra ny fitohanan’ny fiara etsy amin’ny tonelina Ambohidahy dia nanatanteraka hetsika manokana izy ireo hamongorana izany. Vokany, mpanendaka sy mpanao sinto- mahery 5 lahy no voasambotra ny alatsinainy, 14 sy ny talata, 15 aogositra 2017. Ny roa lahy tratra tao anaty tonelina Ambohidahy teo am-pisintonana findain’olona tao anaty fiara. Ny roa lahy hafa voasambotry ny fokonolona teo akaikin’ny Pharmacie Pergola Antaninarenina rehefa avy nanendaka ramatoa iray nandalo teny an-toerana . Ny farany dia tovolahy iray tratran’ny Polisy kaominaly teo am-pangaronana paosy teo ampitan’ny Honey Analakely ary naterin’izy ireo tao amin’ny Biraon’ny Polisy. Nandritra ny famotorana natao azy ireo no nahafantarana fa efa nigadra noho ny resaka fanendahana sy sinto-mahery ny telo lahy amin’izy ireo. Fantatra ihany koa fa saika monina eny Antohomadinika sy Antsalovana iny ny ankamaroany. Natolotra ny fampanoavana ny alarobia 16 aogositra 2017 izy dimy lahy ireo ka nampidirina vonjy maika eny amin’ny Fonjaben’Antanimora.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici