- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversTobim-piantsonana nasionaly Mahajanga : Nisahotaka ny mpandeha fa tsy nisy fiara, ny...

Tobim-piantsonana nasionaly Mahajanga : Nisahotaka ny mpandeha fa tsy nisy fiara, ny vola anefa efa voaloa avokoa

Manodidina ny mpandeha 50 eo izy ireo no tsy maintsy najanona. Tabataba sy menomenona no nameno ny tobim-piantsonana nasionaly teto Mahajanga, omaly alina. Vokatry ny tsy fahaiza-mandamina nataon’ireo mpitatitra vitsivitsy tao an-toerana. Nanomboka tamin’ny alatsinainy no efa nanao famandrihan-toerana sy nandoa vola ny maro, omaly anefa raha hanainga dia nambara fa tsy misy fiara indray. Vao naheno ny fitarainan’ireo mpandeha ny tompon’andraikitry ny ATT teto Mahajanga, avy hatrany dia nidina teny an-toerana nijery akaiky ny zava-misy. Araka ny tatitra nomena azy raha nitafa tamin’ny mpanao gazety izy, dia nisy fahasimbana ilay fiara tokony handeha ka voatery namboarina no fototry olana. Nanamafy anefa ireo mpandeha sasany, fa tsy izay akory ny zava-misy, satria efa tamin’ny 4 ora tolakandro izy mianakavy no nasaina ho tonga nefa amin’ny 6 ora tsy mbola nisy fiara nidirana akory satria hoe tsy ampy ny fiara. Ireo mpandeha tamin’ny koperativa sasany indray, nilazana fa haverina ny vola raha toa ka tsy manaiky ny fandaminana amin’ny fanampiana kely ny saran-dalana 5.000ar na 10.000ar.  Tsy ekena velively io fanararotana io, hoy ny tomponandraikitra. Tsy izay akory no nifanarahana hoy izy. Misy ny lalàna tsy maintsy arahina ato amin’ny tobim-piantsonana hoy hatrany izy ka tsy maintsy handraisana fepetra ireo koperativa mihoa-pefy amin’ny tokony ho izy ireo.

Tantely Vandriam

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici