- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAmbato Boeny : Basy vita gasy saika hoentina manafika saron’ny zandary

Ambato Boeny : Basy vita gasy saika hoentina manafika saron’ny zandary

Mirongatra tanteraka ny asan-dahalo any amin’iny distrik’Ambatoboeny iny. Eo anatrehan’izany dia tsy mitsahatra manao fisafoana na andro na alina ireo tompon’andraikitry ny filaminana. Tamin’izay indrindra, tao amin’ny kaominina Marosakoa, no nifanena tamina telolahy mampiahiahy ireo zandary avy ao Ankazomborona, izay teo am-panaovana fisafoana mihitsy. Rehefa natao avy hatrany fisavàna dia nahitàna basy vita gasy roa tany amin’izy ireo. Fiarovan-tena sa saika hanaovana fanafihana ? Manjaka dia manjaka tokoa ny resaka tsy fandriampahalemana any an-toerana. Tsy fantatra intsony ny olon-dratsy sy ny olona miaro tena. Raha tsy hiteny afa-tsy ireo dahalo am-polony maro niakatra tao an-tampon-tanana, nanafika sy naka omby, ny voalohadohan’ny herinandro teo. Fa teo ihany koa ny fandratrana ny sefo fokontany tao Ampanofo, mbola ny voalohandohan’ny herinandro teo hatrany. Ity farany moa dia novelesin’ireo dahalo maherin’ny 30 lahy, nirongo basim-borona sy basy vita gasy nanafika tao an-toerana, tamin’ny kibay. Lasan’izy ireo avy eo ny basiny. Efa mandeha ny fikarohana, ny fanarahan-dia ary ny fanenjehana ireo malaso any an-toerana. Ireo telolahy tratra niaraka tamin’ny basy vita gasy kosa dia nentina avy hatrany nanaovana famotorana ary nogiazana ireto basy ireto.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici