- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversFianarantsoa : Mpianatra nangalatra « panneau solaire », saika matin’ny fitsaram-bahoaka

Fianarantsoa : Mpianatra nangalatra « panneau solaire », saika matin’ny fitsaram-bahoaka

Mpamosavy malemy, ny eo an-tanàna ihany no aripaka, ary efa tsy mifidy taona sy saranga intsony ny asa fanaovan-dratsy ao Fianarantsoa, renivohitry ny Faritra Matsiatra Ambony, ankehitriny. Ny alin’ny alakamisy teo hifoha omaly zoma, tokony ho tamin’ ny 12 ora sy sasany alina tany ho any, dia tovolahy iray mpianatra izay mipetraka irery ao Beravina Avaratra, Fokontany Talatamaty, no tra-tehaky ny fokonolona teo am-pangalarana « panneau solaire » ka naratra mafy rapa tarehy sy nivonto maso ary mangana tratra saika matin’ny daroka sy vono niharan’ny fitsaram-bahoaka, omaly. Raha araka ny vaovao voaray, dia teo am-pangalarana an’ireo fitaovana mpamokatra herinaratra azo amin’ny alalan’ny angovo azo havaozina  ity tovolahy ity no hitan’ ny tompony, ka raikitra avy hatrany ny antso vonjy, ary vetivety dia vory ny olona sy ireo andrimasom-pokonolona. Tezitra ny mponina raha vao tratra ity tovolahy ity, satria hatramin’ny nahatongavany nanofa trano teo tao anatin’ny enim-bolana, dia tsy nitsaha-nitombo ny halatra sy vaky trano teo an-tanàna.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici