- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025

Tapatapany

#- Ankorondrano. 4X4 nandrava tamboho sy rindrina. Fiara tsy mataho-dalana iray, marika « nissan patrol » no namarana ny làlany tamina tamboho ary nandrava rindrin-trano mihitsy tetsy Ankorondrano, ny alin’ny sabotsy lasa teo. Nandeha mafy ity fiara ity, izay nentina mpamily efa mamo ihany koa araka ny voalazan’ireo mpitandro filaminana. Niezaka niala fiarabe iray izy no tsy voatana intsony ny familiana ary io nifatratra teny amina tamboho io. Tsy nisy aina nafoy na ny naratra, saingy simba tanteraka kosa ilay fiara sy ilay tamboho nodoniny.

#-Mahajanga. Sarim-bavy nisy namono. Vatana mangatsiakana lehilahy iray, izay manao fiakanjom-behivavy no hita faty omaly vao maraina, tao Mahajanga. Nahitana ratra ny vatany sy teo amin’ny lohany. Tombanana ho nisy namono ity farany araka izany, izay raha ny anton’izany aloha hatreto dia mbola tsy fantatra. Tsy nisy nahita ihany koa ireo nahavanon-doza. Efa mandeha ny fanadihadiana ataon’ireo mpitandro filaminana any an-toerana mahakasika izay. Nentina natao fitsirihana kosa ny razana ary nomena ny fianakaviany taorian’izay.

Nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici