Ny olona tokony hanampy indray no novonoina sy nampiasan-kery. Sefo fokontany iray, any amin’iny kaominina Marovazaha, distrikan’Anjozorobe iny, no niharan’ny vono sy ny daroka, nataona miaramila iray tany an-toerana, ny herinandro lasa teo. Nambaran’ity farany mantsy, fa hoe nangalatra ny basiny io sefo fokontany io ary tompon’antoka tamin’ny fanafihana vao avy nihatra taminy. Raha ny zava-nisy anefa, raha ny angom-baovao azo dia tsy nahafantatra na inona na inona akory ity solon-tenam-panjakana eny amin’ny fokontany ity ; izay mbola niasa tao amin’ny biraony rahateo tamin’io fotoana nitrangan’ilay fanafihana io. Ny talata teo tokoa mantsy, dia nisy miaramila iray, notafihan’ny jiolahy tao Ambohimandroso, kaominina Marovazaha, raha sendra nandeha môtô izy. Nofafazan’ireo olon-dratsy sakay ny masony ka jambena. Lasa tamin’izany ny basiny « kalach », niaraka tamin’ny bala ary nirifatra nitsoaka ireto farany nony avy teo. Teo noho eo ihany dia niverina namonjy tanàna ity miaramila voatafika ity ary tany amin’ilay sefo fokontany avy hatrany no nanamparany ny hatezerany. Nandeha tao avokoa ny daroka sy ny vono isan-karazany. Saika tsy afa-bela tao izy raha tsy nisy ny fandraisana andraikitra sy ny fanelanelanana nataon’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy tany an-toerana. Raha ny mikasika ilay fanafihana, dia nisy avy hatrany ny fanadihadiana sy fikaroham-baovao nataon’ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Ary fantatra amin’izao, raha ny loharanom-baovao azo, fa efa tratra ireo olon-dratsy nanafika ity miaramila ity, izay nikasa ny hivarotra ilay basy « kalach » sy ireo bala tany amin’iny faritra Ambatondrazaka iny. Ny tranga tahak’ity niseho tany Marovazaha, Anjozorobe ity no anisan’ny mampitombo ny elanelana misy eo amin’ny vahoaka sy ny mpitandro filaminana. Manjaka loatra mantsy ny tsindry sy ny fanamparam-pahefana ataon’ireo sasantsany amin’izy ireo, amin’ireo madinika, indrindra ireo any ambanivohitra any; izay tamin’ity moa dia ny sefo fokontany mihitsy no nampiasain-kery. Hany ka very sy tsy misy intsony ilay fahatokian’ny vahoaka izany mpitandro filaminana izany, eny fa na dia eo aza ny finiavana hanova ny fomba fijery, izay imasoan’ireo tompon’andraikitra ambony, ny amin’ny hoe mpitandro filaminana manakaiky ny vahoaka sy miaro ny fananany.
m.L