- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversFilaminam-bahoaka eto Toamasina : Tratra ambodiomby niaraka tamin’ny basy PA i Dany...

Filaminam-bahoaka eto Toamasina : Tratra ambodiomby niaraka tamin’ny basy PA i Dany sy Nanga

Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny polisim-pirenena eto Toamasina amin’ny fametrahana filaminam-bahoaka. Misy mihitsy, vokatr’izany, ny fanatonan’izy ireo ny fokontany miisa 17 sokajiana ho mena eto Toamasina, amin’ny fametrahana fiaraha-miasa matotra amin’ireo andrimasom-pokonolona, sy ny fampitomboana ny fanaraha-maso na andro na alina amin’ireo elakelan-trano.

Basy sy bala enina. Noho ireo fiaraha-miasa matotra amin’ny andrimasim-pokonolona sy ny polisy io dia nisy vokatra tsara izany ny zoma teo tamin’ny fahatrarana an’Ingahy Dany (33 taona) sy Nanga (26 taona), mbola nisy fahatelo mbola karohina, raha nanao fanafihana mitam-piadiana olona hividy fitaovana fanamafisam-peo teto Toamasina, tao Salazamay atsimo. I Dany no tratra mialoha izay mbola niaraka tamin’ilay basy PA (Mac 1935 S) fampiasan’izy ireo sy bala enina. Izy indray avy eo no nanonona an’i Nanga. Raha ny fanazavana dia ireto andiany tratra ireto no isan’ireo tarika mpanao fanafihana mitam-piadiana nandrava olona maromaro tato ho ato izay. Isan’izany ilay tao Anjoma nandravan’izy ireo trano fisotroana, ny 10 aogositra lasa teo.

“Paradise”. Isan’ny tena tian’ireo andian-jiolahy ihany koa ny manararaotra ireo olona avy mifety ao amin’ny toeram-pilanonana “Paradise”, isan’ny ankafizin’ny tanora ao Ankirihiry bazary may. Mazana anefa itrangana fanendahana sy fandravana hatrany ireo mivoaka avy ao, noho ity faritra bazary may Ankirihiry atsimo ity tafiditra amin’ny faritra mena ho an’ny mpitandro ny filaminana. Nisy anefa ny ezaka nataon’ireo polisy mba hahafahan’ny olona miala voly ny faran’ny herinandro, ka nandritra ny hetsika nataon’izy ireo dia tovolahy sy tovovavy (16 taona) miisa 6 no tratran’izy ireo ambodiomby manendaka, ary efa tena tambajotra ny fomba ataon’izy ireo.

Ankoatra izay dia ela nireharehana ireto andian-jiolahy miandahy sy miambavy mpamaky trano ao Andranomadio P/elle 11/43 ireto izao tratran’ny polisin’ny FIP izao koa. Efa ny 12 jolay izy ireo no namaky tranon’olona nefa izao tratra ary mbola tratra tamin’izy ireo ny fitaovana nangalariny. Manome toky ny mponina hatrany ny polisy, ka ireo manana olana dia afaka miantso ny 117 orange, 112 Telma, ary ny 017 Airtel, fa mandray ny antso amin’ireo avokoa ireo kaomiseria efatra…

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici