- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversFanafihana teny Tsiadana : Tsy tana ny ain’ilay mpivaro-kena voatifitry ny jiolahy

Fanafihana teny Tsiadana : Tsy tana ny ain’ilay mpivaro-kena voatifitry ny jiolahy

Alahelo ny an’ireo mponina eny Tsiadana raha nandre omaly fa namoy ny ainy teny amin’ny hôpitaly ihany i Jeannot. Ity raim-pianakaviana ity dia isan’ireo olona 5 voatifitr’ireo jiolahy nandritra ny  fanafihana mpamongady     iray teny an-toerana ny Alatsinainy hariva  tamin’ny 6 orateo ho eo. Mpivaro-kena no asan-dRatompokolahy. Sendra nivoaka hamelona fatampera teo an-toko tany izy no nifanehi tra tamin’ireo jiolahy teoam-pandosirana sady mitifitra izay sendra azy rehefa avy nandroba ilay mpamongady tsy lavitra ny tranony. Voan’ny bala teo amin’ny tratrany manakaiky ny tendany Ratompokolahy ka izay no nitarika ny fahafatesany ny alin’nyTalata rehefa tonga teny amin’ny hôpitaly.Fahafatesana izay tenamangidy ho an’ireo fianakaviany tokoa,indrindra ny vady andefimandriny i zay  fantatra fa bevohoka ankehitriny. Ity farany izay nilaza fa tsy afaka nijery ity vadiny rahatsy                   omaly, fotoana nakana ny razana teny amin’ny tranom-patin’ny HJRA. Ampahatsiahivina fa jiolahy 5 mirongo basy poleta no indray nanafika ity toeram-pivarotana tenyTsiadana ity. Voatifitra teo amin’ny sandriny ny tompon-trano ary vola mitentina 22 tapitrisa any ho any no voalaza fa  voaroba. Nisy olona efatra tety ivelany ihany koa notifirin’ireojiolahy nandritra ny fandosiran’ireto farany.Ny telomoa dia mbola tsaboina eny amin’ny HJRA. Ny iray kosa, izay ankizy 12 taona, dia nokasohan’ny balafotsiny ka tsy dia misy ahiana ny aminy.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici