Na eo aza ny ezaka hampandriana fahalemana ny eny ambanivohitra indrindra ireo faritra izay malaza amin’ny halatr’omby toa an’i: Bongolava, Ihorombe, Amoron’i Mania, ary Alaotra-Mangoro, azo lazaina fa miverina indray ireo dahalo am-polony maro na an-jatony mihitsy aza miara-manafika. Ireo tatitra avy amin’ny zandarimariam-pirenena mahakasika ireo trangana halatr’omby tao ho ato dia manamarina izany. Ohatra azo raisina amin’izany ity niseho tao Andilamena tamin’ny 15 aogositra ity. Dahalo 120 nirongobasy sy fitaovam-piadiana samihafa no nangalatra omby 400 tao amin’ny fokontanyTsaratanimbary, kaominina Tanananifololahy. Tao amin’ny Faritr’Ihorombe koa torak’izay. Jiolahy 60 no indray nanafika tao Andambario, kominina Analavoka ka naka omby 200 tamin’ny 20 aogositra teo. Nitohy ny 21 Aogositra ka 400 an’Atoa Souvenir no lasan’ny dahalo am-polony maromaro tao amin’ny kaominina Andiolava. Tany amin’nyfaritra Bongolava indray, dahalo am-polony mitondra basim-borona sy fitaovam-piadina tsotra no nandrava omby 80 teny an-tsaha, an’Atoa Vakimana ny andron’ny 20 Aogositra tao Ambohitromby, Fenoarivobe. No entin’ireo dahalo ho takalon’aina ny zaza mpiambina ny omby. Tany amin’ny Faritra Amoron’Imania indray. Omby 80 an’Atoa isany Zafikely sy Velonorono nangalarin’ny dahalo 40 mitondra fitaovam-piadiana mahery vaikasy basim-borona, ary basy vita eto an-toerana tamin’ny 19 Aogositra.
T.M