Tovolahy pelaka iray manodidina ny 22 taona eo no naratra mafy vaky loha nihosin-drà omaly naraina tokony tamin’ny 9 ora, tany Toliara. Raha ny fanazavana azo dia niara-nisotrosotro nanala makafoka teny amoron-driaka ireto telolahy mpinamana mpisera vazaha. Tsy hay izany nitranga tao fa raikitra ny fifandirana niafara tamin’ny fifampikasihan-tanana teo amin’ny sarimbavy roalahy. Nisendoatra mafy tsy nahafehy fo ny iray ka tsy nisalasala nively tavoangy « Dzama » an’ity niady taminy. Niboba ny rà ka nitsoaka ilay nahavanon-doza. Rehefa nokarohina dia tratra ka naratra mafy ihany koa niharan’ny angaredona. Maso mahita ao Toliara ao dia efa tsy menatra intsony, mitovy amin’ny etsy Antaninarenina ireo sarimbavy mihafy mpanjifa, ary ny tena tilian’izy ireo dia ny teratany vahiny, indrindra ireo efa nahazoazo taona.
Eric Manitrisa