Noho ny ezaky ny zandarimarian’Ambatondrazaka ,dia sarona sy rava avokoa hatramin’izao ny fanafihana mitam-piadiana saika ho nitranga teto amin’ny tananan’Ambatondrazaka tato ho ato noho ny fisian’ireo tsara sitrapo ary ny andrimasom-pokonolona miara-miasa amin’ny zandary. Basy KALACHNIKOV iray miaraka amin’ny bala maromaro izay voalaza fa an’ny miaramila no saron’ny zandary tao Ranofotsy Ambatondrazaka (RN 44) ny faran’ny herinandro lasa teo ,saika hamidy ary hanaovana fanafihana teto amin’ny renivohitry ny faritra Alaotra Mangoro io basy io no izao sarona izao nohon’ny ezaky ny zandary nohon’ny ny loharanom-baovao azo ,Basy vita gasy iray ihany koa no sarona tao Antanifotsy Ambatondrazaka ny faran’ny herinandro lasa teo ihany ,izay efa teo ampanafihana trano fivarotana iray ireo jiolahy ,no nandalo tampoka ny fisafohana nataon’ny zandary ,ka tafatsoaka ireo jiolahy ka tavela ny basy fampiasan’izy ireo ,ka izao noraisim-potsiny izao .Vola sandoka iray alina ariary ihany koa izay vola teo aloha no efa miparitaka eto Ambatondrazaka amin’izao fotoana izao ka mpivarotra iray no nahitana azy ka nampandre ny mpitandro ny filaminana amin’ny tokony hitandremana . Olona roa aloha hatramin’izao no voasambotra , ary mandeha ny fanadihadiana, satria toa efa tambazotra iray avokoa ireo mpanao asa ratsy hoy ny fanazavana. Midina ifotony mandray andraikitra amin’ny fampandriana fahalemana ny faritra, ny zandary tarihin’ny kaomandan’ny kaompanian’Ambatondrazaka, Atoa Ramboasalama Bruno amin’izao fotoana izao ; izay nampihena ny fanafihana mitam-piadiana , ary manentana ny vahoaka ny hampandre ny zandary haingana raha misy ny trangana-tsy fandriampahalemana miseho mba hisorohana izany. Nisaotra ny avy teny anivon’ny zandary ny fokonolona aty Alaotra amin’izao fotoana izao, noho ny ezaka hataony ary miantso ny rehetra mba ho samy tompon’andraikitra ireo mpitandro ny filaminana amin’izao fotoana izao mba hanafoanana ireo mpanao ratsy
Janus R