Misy raha la terre ! Tovolahy iray sahabo 20 taona eo, voalaza fa mamon-drongony no niboridana tanteraka eraky ny arabe ka nigagam-bahoaka, omaly antoandro, tany Toliara. Raha fanazavan’ireo nanatri-maso, dia nanomboka tao amin’ny Fokontany Tsimenatse ity tovolahy ity nanao ny hagegeny, ka nalainy dahalo ny akanjo teny aminy, ary silipo kely fotsiny sisa no nanaovany tamin’ny voalohany. Rehefa niakatra sy nanonja ny herin’ny maina nofoiny, dia nesoriny tanteraka ny tako-kenatra teny aminy, avy eo izy nihirahira eraky ny tanàna, ary nitety arabe sady miteny irery namakivaky an’i Mahavatse nihazo ny lalana mankany amin’ny seranan-tsambo iny. Raha ny zava-misy sy maso mahita ao Toliara ao, dia amidy tsy misy bedy toy ny anana sy voanjo ny rongony, indrindra ny ao amin’ny Fokontany Ampasikibo. Hatramin’ny mpianatry ny EPP dia tafaroboka amin’ ny fidorohana zava-mahadomelina. Tamin’ny fanadihadiana natao no nahafantarana fa mirongatra izay tsy izy ny fifohana jamala amin’izao vakansy izao, ka tokony andraisan’ny tompon’andraikitra fepetra henjana sy matotra amin’izay, fa potika tanteraka ny hoavin’ny tanora sy zaza malagasy.
Eric Manitrisa