Ny alatsinainy 21 Aogositra teo no tratra tamina ragahy iray 44 taona teny Manakambahiny ny fiara iray very tany Andraharo tamin’ny 28 jolay lasa teo. Lehilahy iray antsoina hoe Nirina 34 taona no niasa tao amin’ilay tompon’ny fiara ka noahiahiana ary nosamborina ny 03 aogositra 2017. Ny 07 aogositra dia nosamborina ihany koa i Ronaldo, 34 taona, izay sécurité teny an-toerana. Natolotra ny Fampanoavana izy roalahy ary notanana am-ponja vonjimaika. Tamin’ny fanadihadiana natao no nahafantarana fa i Nirina no nanao dika mitovy ny fanalahidin’ilay fiara. Navoakan’izy sy Ronaldo ary napetraka tamin’olona iray teny Belambanana niandrasana mpividy ilay fiara. Dia izao izy hita teny Manakambahiny izao. Tamin’ny famotorana natao tamin’ity rangahy nahitana ilay fiara ity izao no nahafantarana fa tamin’ny gazety vidy varotra no nahitany izany. Natolotra ny Fampanoavana omaly 23 aogositra 2017 izy telo mirahalahy ireto.
T.M.