Nisehoana fitsaram-bahoaka indray tany amin’ny disitrikan’ i Mampikony, lehilahy iray avy nivarotra volamena no voaendaka vola sy finday teny aminy. Niantso vonjy ilay lasibatra, ka raikitra ny fifanenjehana. Tratra ilay mpanendaka ary niharan’ny vono sy daroka nataon’ny fokonolona, ka namoy ny ainy avy hatrany. Tao amin’ny fokontany Ampanihy, kaominina Ampasimatera, disitrikan’ i Mampikony, faritra Sofia, no nisehoan’izany, ny alakamisy teo tokony tamin’ny 4 ora folakandro. Araka ny tatitra voaray avy any an-toerana, dia lehilahy tokony ho 25 taona izay tsy fantatra ny momba azy no nanendaka olona avy nivarotra volamena. Vola mitentina 113200 Ariary, io nalainy io. Nalefa any amin’ny hopitaly Mampikony kosa, ilay tompon’entana, fa nisy naratra teo amin’ny lohany sy ny tanana. Tafaverina tamin’ny tompony ireo zavatra very ary natolotry ny fokonolona taminy. Taorian’izay aloha dia milamina tanteraka ny any an-toerana.
Ratantely.