Ny 27 Aogositra izao manomboka amin’ny 12 ora antoandro, eny amin’ny Kolejy Saite-famille Mahamasina, no hanatanteraka ny fifidianana izay ho filoha mpitarika ny birao mpanatanteraka mandritra ny efatra taona manaraka (2017-2021) ny Fikambanan’ny Antemoro eto Antananarivo (FI.ANT.A). Hatao izany mba hanendrena indray izay handimby ny filoha teo aloha, ny Loholona Boto Manovatsara, izay nahavita ny fepotoam-piasany tamin’ny fitarihana ny fikambanana tamin’ity taona ity. Telo ireo kandida hisafidianana amin’io 27 Aogositra io dia ireto avy : Randrianasoavina Christian, Randrianasolo Brice, ary ny Kaomisera Tsaramonina Ravony. Nanambara ireto mpifaninana ireto nandritra ny tafatafa nifanaovana tamin’ny mpanao gazety omaly fa isan’ny tanjona iraisan’izy ireo ny fampivondronana hatrany ireo Antemoro rehetra avy amin’ny faritra Vatovavy-Fitovinany monina eto Antananarivo, eny fa manerana an’ny Nosy aza. Ankoatra ny fijerena ny sosialin’ny mpikambana, sy ny fampandrosoana ny faritra niavian’izy ireo. Hikatsaka hatrany ny filaminana sy ny fandriam-pahalemana, indrindra amin’ny fanantanterahana izao fifidianana izay tokony horaisina ho toy ny « adin’ombalahin’ny mpianakavy ka ny mandresy tsy hobiana ary ny resy kosa tsy hakoraina. Mikasika izay fandriam-pahalemana izay indrindra dia tsy zohina amin’ireo mpifidy intsony ny kaomisera Tsaramonina Ravony, izay lehiben’ny kaomisarian’ny Filaminam-bahoaka etsy Tasaralalàna. Ity farany izay nanararaotra izao fihaonana tamin’ny mpanao gazety izao mba hanantitranterana fa manoloana izao tsy fandriam-pahalemana eto an-drenivohitra izao dia efa misy ny fepetra noraisina mba hiarovana ny vahoaka sy ny fananany. Ekena, hoy izy, fa tsy azo eritreretina ny hoe ho foana tanteraka ny asan-jiolahy, saingy ezahina kosa ny hampihena izany ato anatin’ny fotoana fohy.
T.M.