Omaly no nanomboka ny fihainoana izay olona rehetra voarakitra tao anatin’ny « camera de surveillance » ny sariny. Efatra ny olona efa nandalo tao amin’ny biraon’ny “brigade criminelle” ary mbola hiampy izany arakaraka izay fahafantarana ny olona tao anatin’ny raki-tsary. Mbola tsy nandrenesam-peo aloha omaly ny fianakaviana manodidina ity famonoana an’i Zahid, tompon’ny Z&Z Center ity. Tsy nisy na inona na inona very tamin’ny famoanana ity teratany karàna izay kaonsilin’i Madagasikara any Malaysie ity. Toa midika izany fa ny ainy mihitsy no nokendrena. Hatreto, raha ny fijerin’ny olona azy, dia adin’ny samy karàna no ao ambadik’ity tranga ity. Ankoatra izay, tsy azo ihodivirana intsony ankehitriny fa tsy afa-miala amin’ny teknolojia intsony ny mpitandro ny filaminana amin’ny fanaovana fanadihadiana. Ilaina ny fanapariahana ny « camera de surveillance » ary raha hiverenana dia efa nisy ny tetikasa natao momba izany, saingy tsy nety tontosa hatramin’ny farany. Etsy andanin’izany, fantatra fa mirongatra tanteraka ny asan-jiolahy ankehitriny eto an-drenivohitra. Tsy latsaky ny dimy izany tao anatin’ny roa andro. Tetsy Ambohipo sy Andravoahangy no tena nisesy izany. Ny tetsy Ambohipo dia tompon’ny taxi-be maromaro no nandalovan’ny jiolahy ary norobainy tao ny vola rehetra tao an-trano. Narahiny aloha ny mpamily sy mpanampy taxi-be vao maraina ary iny no nahitany ny tranon’ny olona hotafihana. Nidirana an-keriny tao ary norobaina nony avy eo. Efa-dahy nitam-basy no nanatontosa an’izany. Omaly hatramin’ny alina dia mbola nivory ny lehiben’ny minisiteran’ny filaminan-bahoaka. Tsy fantatra izay tapaka tao anatin’izany, saingy heverina kosa fa mifandraika amin’ny firongatry ny tsy filaminana amin’ny ankapobeny no anton’izany. Nananontanona rahateo ny fanovàna mpikamban’ny governemanta tato ho ato ary samy mila porofo mba hitazomana ny toerany.
D.R