- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversFace-book : Hanendahana vehivay amin’ny fomba mihaja

Face-book : Hanendahana vehivay amin’ny fomba mihaja

Tsy kely lalana tokoa ny ratsy. Fifaneraserana amin’ny face-book indray izao no entin’ireo jiolahy manao ny asa ratsiny amin’ny fomba mihaja. Vehivavy iray no voaendaka finday teo Mahamasina ny faran’ny herinandro teo rehefa nifanao fotoana tamina lehilahy milaza fa hampiditra azy hiasa tamin’ny alalan’ny Face-book. Nataon’ity lehilahy ity « Ami », tao amin’ny Face book ny zandrin’ity ramatoa ity ka nilazany fa misy orinasa mpikarakara endrika amam-bika hosokofana ka mitady mpiasa. Nambarany fa izy no nametrahana andrikitra hanao izany. Nilaza anefa ilay ankizivavy fa ny rahavaviny no mila izany. Raikitra ary fa eny Mahamasina eo anoloan’ny « Bazar du quartier » ny fotoana hihaonana amin’ity mpanome asa. Nony tonga teo an-toerana ilay ramatoa dia lehilahy nitondra moto cross no nihaona taminy. Nilaza avy hatrany ity lehilahy fa tena ilaina ravehivavy ka nindrana ny findain’ity farany fa hiantso ilay mpampiasa hono izy. Vao azony anefa ilay finday dia iny izy no nirifatra tamin’ny moto. Tankina tsy nahetsika teo ilay ramato izay tsy nahita akory ny endrik’ilay lehilahy satria nanao aro loha misarona tanteraka ilay io. Fa ny tena mampieritreritra dia voalaza fa ankizivavy avokoa no tena mahazo ity tolotra hafahafa ity. Sao mety ho tonga hatrany amin’ny fangalarana olona ary ity asa- ratsy ity ?

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici