- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAnjelimainty Anosy : Amidy 3 000 ariary ny iray alina ariary...

Anjelimainty Anosy : Amidy 3 000 ariary ny iray alina ariary sandoka

Olona enina no natolotra ny Fitsarana ny Sabotsy teo rehefa tratra  tamin’ny resaka fanaovana vola sandoka.  Araka ny nambaran’ny lefitry ny kaomandin’ny Kaompanian’ny gadarimaria Antananarivo-renivohitra, Lt Rakotovao,  loharanom-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo no nahitana izao vokatra izao. Voalaza fa misy olona mivarotra vola sandoka eny amin’ny Anjelimainty Anosy ka amidy 3 000 arairy ny 10 000 arairy sandoka.  Natao ary ny velam-pandrika ka niafara tamin’ny fisamborana ireto olona enina ireto teo Anosy sy Ankadimbahoaka ny 23 Aogositra lasa teo. Mbola tratra tany amin’izy reo ny vola sandoka mitentina 3 000 000 ariary  ka 10 000 arairy amin’ny endriny taloha ny 7,5 tapitrisa ariary ary 10 000 arairy amin’ny endriny vaovao ny ambiny. Ny fanadihadiana hatrany no nahalalana fa mpikarama ihany ireto voasambotra ireto. Afaka nitsoaka kosa ny tena tompon’ireo vola sandoka ireo, izay voalaza fa rehefa manao izao asa izao ireo mpikarama ireo dia manara-maso lavidavitra ilay tompon’ny vola. Fomba fiasa izay mahatonga ny zandary manao ny famontorana fa tena tambazotra matanjaka tokoa no ao ambadik’ity asa ratsy ity. Ny tena loza mantsy dia tena mitovy tsy misy valaka amin’ny tena izy ireo vola ireo fa ny hany hanavahana azy amin’ny tena izy dia tsy ahitana ireo  famantarana manokana izay efa ampahafantarina ny rehetra amin’ny haino aman-jery ireo sandoka ireo. Koa manentana ny rehetra ny mpitandro ny filaminana mba ho mailo fa azo heverina fa efa betsaka no miparitaka any ho any ireo vola sandoka ireo.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici