- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversCamp Robin : Jiolahy 70 nitifitra sy nandoro trano

Camp Robin : Jiolahy 70 nitifitra sy nandoro trano

Tamin’ny fotoana nanoratana dia mbola sahotaka tanteraka tao an-toerana. Tao amin’ny fokontany antsoina hoe Tambohobe, no nisehoan’ity herisetra ity. Tokony ho tamin’ny telo ora sy sasany hariva, omaly, no tonga tao ny jiolahy izay tombanana ho 70 . Nitondra kalachnikov, Mas30 ary basim-borona ireo ary tena nampiasany izany nandritry ny fanafihana. Omby telopolo no lasa raha ny fanisana vonjimaika. Ny olona dia tsy nisy sahy nanohitra satria be loatra ny basy teny amin’ireo olon-dratsy ary tena nitifitra rahateo ireo. Mirongatra tanteraka ny asan-dahalo ao an-toerana raha  ny fanazavan’ny ben’ny tanàna ao Camp Robin. Faninefany io tranga omaly io tao anatin’ny herinandro monja. Raha ny vaovao farany azo, dia nisy renim-pianakaviana izay nalain’ireo dahalo an-keriny ary natao takalonaina. Omaly tamin’ny fotoana nanoratana anefa, dia fantatra fa maty novonoina io farany. Ny vadiny kosa miady amin’ny fahafatesana. Trano maromaro no may nodoran’ny dahalo, nandritr’ity fanafihana ity. Raha ny filazan’ny  Ben’ny tanàna, dia mety kokoa amin’izy ireo raha ny komandàn’ny borigady teo aloha no haverina miasa any mba hiverenan’ny fandriampahalemana.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici