- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Lasibatry ny jiolahy hatramin’ireo kisoa am-bala

Toamasina : Lasibatry ny jiolahy hatramin’ireo kisoa am-bala

Ity tranga niseho tao Analakininina Morarano ity no ilay hoe, tsy kely làlana tokoa ny ratsy, satria tranga tsy fahita teto Toamasina no niseho. Raha vaky trano sy fanafihana mitam-piadiana ary halatra akoho amam-borona hatramin’ny omby no tena faheno, dia halatra kisoa am-bala indray no nitranga ny maraina ben’ny alakamisy 24 aogositra lasa teo tokony tamin’ny 02ora maraina. Tsy nisy nahare na inona na inona ity fianakaviana nitrangan’ny halatra kisoa am-bala tao Analakininina Morarano ity nandritra ny halatra. Ilay raim-pianakaviana nifoha maraina nikasa ny hanome sakafo ireo bibiny no taitra raha nahita fa banga iray ny kisoany tao am-bala, ary ilay renin-kisoa bevohoka mihitsy no tsy hita nandritra izany. Avy hatrany, dia nametraka fitarainana sy fitoriana teo anivon’ny kaomisarian’ny boroborintany voalohany ao Tanambao II ny tenany; nanomboka teo ny fikaroham-baovao sy ny fikarohana nataon’ny ekipan’ny Kaomisera Rakotovao Jean Christian. Tratran’izy ireo tao amin’ny “Pont Mainty” Tanambao Verrerie anefa ireto efa-dahy, teo am-panadiovana ilay renin-kisoa vao avy novonoin’izy ireo. Nandritra ny famotorana azy efa-dahy no niaiken’izy ireo ny heloka vitany tamin’izao halatra kisoa am-bala izao. Nahafahan’ny polisy nahazo vaovao ihany koa ny fakana am-bavany ireto efa-dahy nangalatra kisoa ireto, satria izy ireo ihany no nilaza fa mampiasa “fonoka” mandritra ny halatra ataony, ka tsy mikiaka mihitsy ireo kisoa.Tratrany toy izany koa ireo tompony raha tsy efa maraina ny andro. Manentana hatrany ny polisy amin’ny fanamafisan’ny olona ny fanomezam-baovao haingana azy ireo, mba hoentina handresena ny ratsy sy ny asan-jiolahy. Ny fiaraha-miasa matotra amin’ny fokonolona sy ny mpitandro ny filaminana ihany no miteraka filaminana eto. Efa miandry fitsarana am-ponja izy efa-dahy ireto,taorian’ny fiakaran’izy ireo fitsarana ny faran’ny herinandro teo…

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici