Nanaram-po mihitsy ireo jiolahy tao amin’ny Amatofotsy, ny sabotsy teo. Enin-dahy nisaron-tava nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika na basy kalaky roa no nanafika ny toeram-ponenan’ny sefom-pokontany Amparihikely. Araka ny vaovao avy tamin’ny zandarimariam-pirenena , nanao an-keriny niditra tao an-trano ireto jiolahy izay nitondra basy Kalachnikov roa.Nitifitra avy hatrany izy ireo ka tsy afa nanao na inona na inona intsony ny tompon-trano. Vokany, voan’ny bala teo amin’ny lohaliny ilay lehibem-pokontany. Voaroba ny vola 11 tapitrisa ariary sy finday iray. Nialohan’io fanafihana io, araka ny vaovao hatrany, efa nandalovan’ireto jiolahy ireto ihany koa tao amin’ny tanàna antsoina hoe Ankeniheny ao amin’ny fokontany Ambohaja, kaominina Tsiafahy. Trano telo noniharan’izany ka 2 tapitrisa ariary voaroba tao amin’ilay voalohany, 140 000 ariary ny faharoa, ary 56 000 ariary ny fahatelo. Tsy nisy naratra kosa tamin’izany.
Anjeva-gara. Mbola fanafihan-jiolahy ihany, saingy tao Anjeva gara indray no nitrangan’izany, ny 24 Aogositra. Lehilahy iray 30 taona nitondra basy vita gasy no nanafika tao amin’ny Otiv Fivoarana ao amon’ity kaominina ity, tokony ho tamin’ny 3 ora sy sasany, fotoana izay maha vitsy ny mpanjifa ao amin’ity toeram-pitehirizana sy mpampindram-bola ity. Avy hatrany dia nambanan’ity lehilahy ity ny basy ilay vehivavy teo amin’ny « caisse » ka notereny hanome ny vola rehetra tao aminy. Tsy nanaiky mora anefa ilay ramatoa ka niezaka nisambotra ilay basy sady niantso vonjy. Taitra noho izany ilay jiolahy ka nitsoaka avy hatrany. Raikitra ny fanenjehana ka tsy lasa lavitra ranamana dia voasambotra. Efa tonga teo an-toerana rahateo ny mpitandro ny filaminana. Ny famotorana natao tamin’ity lehilahy no nahalalana, fa mpikambana ao amin’ity Otiv ity ihany izy sy nanondroany ny mpiray tsikombakomba taminy ; izay efa voasambotra ihany koa. Marihina fa, nahatrarana bala vita gasy dimy niaraka tamin’ity basy nentin’ity lehilahy ity. Basy vita gasy izay hita fa tena mahery vaika tokoa, raha ny filazan’ny zandary izay nanao ny famotorana. Ny Sabotsy teo no natolotra ny Fitsarana izy roalahy ireo.
T.M.