- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Nanampy ara-bola ny vahoaka hananganana oniversite

Ambatondrazaka : Nanampy ara-bola ny vahoaka hananganana oniversite

Namaly ny antso nataon’ny kaomity natsangana amin’ny fanaovana fitia tsy mba hetra  amin’ny fanangonam-bola hanampiana amin’ny hananganana ny oniverisite aty Alaotra Mangoro  ny vahoakan’Ambatondrazaka .Araka ny  loharanom-baovao dia fantatra fa ny fanjakana foibe no hanangana Oniverisite ho an’ny faritra Alaotra Mangoro ho fanampin’ny ao Ambohitsilaozana  ary ny vahoaka sy ny mpitondra aty an-toerana no hijery ny toerana hanatanterahana izany .Tapaky ny rehetra  araka izany  fa ao Andrarabary Ambatondrazaka no hanatanterahana izany ,satria nisy ny olona tsara sitrapo nanolotra ny tany  taorian’ny fidinana ifotony nataon’ireo  tompon’andraikitra taty an-toerana nijery ilay toerana .Raikitra ny fanombohana ny asa rehetra tamin’ny alalan’ny fanarenana ilay tendrombohitra hisian’ilay oniverisite, ny loholon’I Madagasikara samy irery no nitarika ny asa. Somary maisamaisatra ny asa ka nanapa-kevitra ny fikambanan’ny ben’ny tanana sy ny loholon’i  Madagasikara, Atoa Rabenony Day, ny hanao fitia tsy mba hetra ho fanafainganana ny asa  ,ka tontosa ny faha 24 ,25  sy ny faha 26 Aogositra 2017 teo izany fitia tsy mba hetra izany izay nahazaoana vola mitentina 1 426 200 AR .Nanampy betsaka tokoa ny vahoaka ary miandrandra fampandrosoana haingana, indrindra amin’ny tontolon’ny fampianarana  aty  Alaotra Mangoro ;ary nisaotra ny loholon’i Madagasikara sy ny fikambanan’ny ben’ny tanana izy ireo ary maniry ny hisian’ny mangarahara amin’ny fitantanana ny vola voangona  mba hitsanganan’ny oniverisite aty Alaotra ,ary nisaotra ny mpanao gazety rehetra tamin’ny fanentanana tamin’ireo onjam-peo.

Janus R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici