- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversManakambahiny : Nanjavona ny « jantes », niantona ny fiara

Manakambahiny : Nanjavona ny « jantes », niantona ny fiara

Fiara efa tsy misy kodiarana sy jantes intsony no hitan’ny tompony vao maraina. Nanjombona vao maraina ny andro hoa azy ireo.  Tsy vitan’izay fa mbola nobatain’ny jiolahy ihany koa ny fitaovana rehetra fanamboarana fiara. Sady tokontany mantsy no garazy io toerana io ary misy vavahady mihidy tsara saingy mbola tafiditry ny olon-dratsy ihany. Mbola misy tamboho ihany koa aza. Teo Manakambahiny, làlana mizotra ho any Androndra no nisehoan’izany ny alin’ny alahady teo. Mitombina ve ny fisian’ny « fonoka », irony fitaovana doran’ny jiolahy ary ampiasainy mba tsy hahenoan’ny olona ny asaratsiny. Sa kosa ny olona no tena matory tanteraka rehefa alina ny andro ? Na ny alika aza mantsy indraindray dia tsy maheno ny fandalovan’ny jiolahy.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici