- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Bodoin’olona ny tany 11Ha an’ny FLM

Sambava : Bodoin’olona ny tany 11Ha an’ny FLM

Nanomboka ny taona 2009 no mankaty dia tsy mitsaha-mitombo ny fanorenana trano tsy ara-dalàna sy ny fakana tany an-keriny ataona andian’olona, izay voalaza fa arovana olo-maventy (olom-boatendry sy olom-boafidy) amin’ny tanin’ny Sekoly Biblika Fiangonana Loteranina Malagasy ao Soavinandriana Sambava, tany vita baorina ny 30 jolay 2008, mirefy 13ha 53 A 22 Ca, mitondra ny titra 2793-DH sy anarana : “Mangarivotra Tsarahonenana”. Araka ny nambaran’ny Pastora Razafimahatratra Jean de Dieu, Filohan’ny Synoda, nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly antoandro, dia tany maherin’ny 11 ha no lasan’ireo mpibodo tany, izay feno fanorenana trano tsy ara-dalàna ankehitriny, ka maro no efa manangana trano vato eo. Hany sisa tavela amin’ny tanin’ny FLM, dia ny faritra misy ny sekoly sy ireo tranon’ny mpiasa.
Fandrahonana. Vao niseho ny tranga, valo taona lasa izay, dia efa nitaraina ny fiangonana, kanefa tsy nisy fandraisana andraikitra matotra nataon’ny mpitondra sy tompon’andraikitra isan-tsokajiny, ka niliba ireo mpandroba.  Izahay Pastora tompon’andraikitra mandrara an’ireo mpangalatra ny taninay indray no tratran’ny fandrahonana ho faty amin’ny alalan’ny fitsaram-bahoaka ”, hoy ny Randriamalala Gilbert, talen’ny sekoly biblika ao Soavinandriana. Manoloana an’ity trangana fakana an-keriny tanin’ny FLM ity, dia efa intelo ny fiangonana no nitory, ary nisy didim-pitsarana navoakan’ny fitsarana Antalaha, ny taona 2010, sazy mihantona dimy taona ho an’ireo olona nanimba ny fananan’ny sekoly, kanefa hatramin’izao dia mbola mitohy foana ny famotehan’ ireo olona voasazy ny fananan’ny Fiangonana Loterana Malagasy ao Soavinandriana Sambava.
Very hasina.Voahosihosy ihany koa ny hasin’ny Fiangonana sy ny sekoly biblika ka mahamenatra tanteraka ny zava-misy, satria lasa ataon’ ireo olona mpibodo tany eo amin’ny manodidina fitondrana vehivavy sy fampiarahana ary fanaovan’izy ireo vetaveta (lasa chambre) eo amin’ny faritry ny tranon’ny sekoly ”, hoy ny Pastora Ranaivo Davidarison, nalahelo mafy. Raha ny fanazavana azo hatrany, dia efa nisy ihany koa ny didim-pitsarana savaranonando nivoaka ny 21 jona lasa teo, izay mandidy mba hanaovan’ireo manam-pahefana tompon’andraikitra fitsidihana amin’ny fitsirihana ny tany, ka hanakanana an’ireo olona mibodo tany tsy hanangana na hanorina trano tsy ara-dalàna eo intsony, kanefa hatramin’izao dia tsy misy ny fampiharana ny didy, ka hanairan’ny Fiangonana Loteranina Malagasy ny sain’ny tompon’andraikitra mahefa, mba handray andraikitra amin’izany. Hatramin’ny taona 1991 niorenan’ny sekoly, dia mpianatra katekista maherin’ny 200 no efa nivoaka tao.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici