- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAmparibe : Fatina fil sy fofom-banja tao anaty fanariam-pako

Amparibe : Fatina fil sy fofom-banja tao anaty fanariam-pako

Nilaza ho naheno fipoahana mafy ny mponina teny amin’ny manodidina an’Amparibe sy Mahamasina ny alin’ny talata teo. Vetivety dia niely ny feo ary nisy nilaza fa nisy baomba nipoaka teny an-toerana. Rehefa nanontaniana ny mpitandro ny filaminana izay nidina teny an-toerana avy hatrany dia nanazava fa nisy fatina fil sy fofom-banja tokoa tao amin’ny fanariam-pako tsy mifanalavitra ny sekoly iray teo an-toerana. Nentina ireo zavatra hita ireo ary nisy fanadihadiana nosokafana avy hatrany mba hahafantarana ny momba izany. Raha ny fihevitra aloha dia tsy mifanalavitra amin’ny baomba vita gasy io narefotra io. Na izany aza, inona ny antony nanaovana azy tao anaty fanariam-pako raha tena tiana hapoaka tokoa ? Natao andrana sa entina hanakorontanana ny sain’olona fotsiny.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici