Tao amin’ny camping Andriampotsy Andringitra no nisehoan’ilay asan-jiolahy ny alahady lasa teo, tamin’ny valo ora alina. Mpivady, teratany frantsay, no notafihan’ny enin-dahy mitondra basim-borona tao amin’ny toerana nipetrahan’iretsy voalohany. Lasa ny devizy Euro (400) ary koa ny vola gasy mba nampiasain’izy mivady (324.000 Ar), ny finday, ny taratasy maromaro izay mahakasika azy ireo, toy ny pasipaoro sy ny tapakilan’ny fiaramanidina. Hatramin’ny fatorian’izy mivady aza dia nobatain’ireo olon-datsy ihany koa. Mba tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy satria nanaiky nanome avy hatrany izay nisy ireo teratany vahiny. Mitarika laza ratsy ho an’ny fizahan-tany izay isan’ny fidiram-bola voalohan’ny firenena ny tranga toy izao. Vetivety mantsy dia miely eran-tany ny feo noho ny fisian’ny tambajotra “internet”. Ny mpizaha tany rahateo, manana safidy maro izy amin’izay alehany, ary tsy vitsy ny manafoana amin’ny ora farany ny diany rehefa misy ny tsy filaminana mitranga toy izao. Mitaintaina hatrany ny olona mivelona amin’ny fizahan-tany isaky ny misy ny asan-jiolahy miantraika amin’ny teratany vahiny. Betsaka ny mpiantsehatra mivelona amin’io, dia ny “agences de voyage”, ny kaompaniam-piaramanidina, ny mpampanofa fiara, ny mpitari-dàlana, ny hotely, ny mpanao sakafo sns. Izany rehetra izany no indray mitaraina satria miantraika amin’izy ireo mivantana ny tsy fandriam-pahalemana toy izao. Efa mba mitandrina tsy mandeha alina ny fiara mpitatitra, misafidy ny toerana tsy dia atahorana amin’izay aleha, kanefa mbola hitan’ny jiolahy ihany ny misy ny mpizaha tany.
D.R