Isan’ny antony iray maha-vitsy mpitsidika an’i Toamasina tamin’izao fialan-tsasatra izao ny antony tsy filaminam-bahoaka eto Toamasina. Manao ny ezaka rehetra ny mpitandro ny filaminana amin’ny paik’ady samihafa, saingy maro loatra ireo andian-jiolahy izay miha-ankizy ihany koa noho ny firongatry ny rongony sy ny zava-mahadomelina hafa. Tamin’ity herinandro ity dia mpiala sasatra hamonjy fodiana avy teny amoron-dranomasina, izay ao anatin’ny tanjany sy ny fahatanorany tokoa, nandeha posy, no nendahan’ireto andian-jatovo dimy lahy mitondra sabatra sy antsy ary zava-maranitra, teo amin’ny sampanan-dalana “Augagneur” tokony amin’ny 6ora hariva. Nisy nahita ny zava-niseho saingy tsy nisy afaka nanakana izany ireo mpitazana, ilay mpitondra posy tamin’izay tsy manana ahiahy akory amin’ity mpandeha nentiny voaendaka, lasa avokoa ny finday sy ny vola ary ny firavaka rehetra tany amin’ity mpiala sasatra ity. Niparitaka haingana ity vaovao ity ka maro amin’ireo mpitsangantsangana hany nisafidy an’i Toamasina no mifampitaona tsy mandeha posy intsony raha vao hariva ny andro, sy tsy hamonjy ny moron-dranomasina ihany koa rehefa mody masoandro, izay tena feno ireo ankizy sy zatovo lahy mpanendaka koa. Ho an’ny mpitandro ny filaminana anefa dia ny fiaraha-miasan’izy ireo sy ny fokonolona ihany no vahaolana.
Malala Didier