- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversDahalo : Lasa manao « kidnapping » sy takalon’aina

Dahalo : Lasa manao « kidnapping » sy takalon’aina

Zava-baovao indray no tsikaritra amin’ny fanafihan-dahalo nitranga tato ho ato. Tany Mahabo, ankoatra ny halatra omby mahazatra sy fandoràna tanàna, dia nalain’izy ireo natao takalon’aina ny vehivavy miisa enina. Ny iray aza dia maty novonoina nandritra ny dia. Ny dimy kosa rehefa niditra an-tsehatra ny zandary dia mba avotra soa aman-tsara. Tamin’ity tranga ity dia tao amin’ny fokontany Mandarano ao Malaimbady no nisian’ny fanafihana sy ny fakàna an-keriny. Miisa 50 ireo dahalo nanafika ary mitazoma basim-borona tsy latsaky ny 25 isa. Nisy basy Mas 36 ihany koa tsikaritry ny olona. Mba niezaka nanohitra ihany ny fokonolona fa mainka koa izany nanasaro-javatra. Olona roa no naratra mafy nandritra ny fifandonana. Tany amin’ny distrika Ambato-Boeny indray, tao amin’ny fokontany Ankazoambo, dia dahalo miisa 20 no tonga anafika ary nitazoma basim-borona niisa valo. Mpiantsena no voatafika. Tsy nijanona teo fa mbola naka olona roapolo isa izy ireo nataony takalon’aina. Vola maherin’ny 9 tapitrisa no lasa, ankoatra ny fitaovana madinika isan-karazany. Mbola mitohy ny fanarahan-dia, raha araka ny fanazavan’ny zandary. Raha jerena ireo tranga roa ireo dia mivoatra mankany amin’ny fakàna an-keriny sy fanaovana takalon’aina indray ny dahalo rehefa manao ny asaratsiny. Entina hanasarotana ny fihazàna azy ireo, raha araka ny fiheverana, no tena anton’izany.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici