- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Miaramila zazavao nanambana basy sy nanendaka

Toamasina : Miaramila zazavao nanambana basy sy nanendaka

Misesy ny fanendahana ao an-toerana (sary tahiry)

Zandary mpiray tsikombakomba amina andian-jiolahy sy mivarotra basim-panjakana ary mpiray tendro amin’ny varotra taolam-paty, izao indray miaramila zazavao manao ny servisy ara-miaramilany eto Toamasina tratra tao Andranomadio indray nanambana basy sy nanendaka mpandalo. Izany no iainan’ny vahoaka isan’andro amin’ny adalan’ireto ambara sy voalaza fa mpiaro ny vahoaka sy ny tanindrazana ary ny fananany ireto eto Toamasina. Antsoina hoe R.A izay 28 taona ity miaramila zazavao mpanendaka ity; ka mpiasa monina ao Andranomadio 11/43 hamonjy asa vao maraina no nambanany basy sy noendahany. Misy vatana ihany ity nokasaina endahina ka raikitra ny sakoroka teo amin’izy roa lahy. Nisy nahita anefa izany na nanampy ity mpiasa nanohitra ilay miaramila mpanedaka koa izy ireo, noho farany tsy tohitra ilay miaramila zazavao intsony ny zava-nisy dia nitsoaka izy ka nandritra izay dia latsaka ny basy teny aminy. Niverina teo amin’ity faritra nitrangan’ilay sakoroka anefa ity miaramila zazavao ity nitady ilay basy latsaka, ka teo no nisy nahatsikaritra izy ka niantsoan’ny olona polisy avy hatrany ary voasambotra ambodiomby. Araka ny angom-baovao mari-pototra dia miaramila zazavao voahiraka iambina trano na mpandraharaha sinoa izy ity, ka basin’ilay sinoa embenany ity nangalariny nanaovana asa fanendahana tsy hita popoka hatramin’izao ity. Amin’ny maha-miaramila azy dia ny zandary no misahana ny fanadiadiana azy, raha ny polisy no nisambotra azy. Ho hita eo ny tohiny…

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici