- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanana : Zandary voatifitra, mpivarotra maty voadaroka

Maevatanana : Zandary voatifitra, mpivarotra maty voadaroka

Tamin’ny roa sasany maraina no nitranga ny fanafihana tao Tsararano-Maevatanana. Toeram-pivarotana enta-madinika no norobain’ny valo lahy mitazona basim-borona. Tsy vitan’ny fandrobana fotsiny ihany fa maty novonoina tamin’ny daroka ny tompon’ny tsena. Nisy nahavita nampandre ny zandary izay nidina avy hatrany teny an-toerana. Raikitra ny fifampitifirana teo. Voa teo amin’ny kibony havia sy ny tanany havanana ny zandary iray kilasy faharoa. Najifa ny vola rehetra tao amin’ilay toerana. Nisy lavo ihany koa tamin’ireo jiolahy mpandroba. Iray no maty tsy tsa-drano rehefa voatifitry ny zandary. Avotra soa aman-tsara ihany ilay mpitandro ny filaminana rehefa tonga ara-potoana teny amin’ny toeram-pitsaboana.

Nangonin’i D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici