- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAndilamena : Lehiben’ny fampanoavana sandoka karohina

Andilamena : Lehiben’ny fampanoavana sandoka karohina

Potika tanteraka ny  fitadiavan’ny fianakavian-dRtoa Razafiarivony Mariette, noho  ny soloky nianjady tamin’ny fianakaviana nataon’ny ramatoa iray milaza fa lehiben’ny fampanoavana eto Ambatondrazaka, sady miaraka amin’ny olona iray manao fanamiana mpitandro ny filaminana ,izay samy olona misoloky avokoa . Araka ny nambaran’ity voasoloky ity dia fa efa betsaka ny zavatra vitany tany ambanivolo ,fa ny tena tsy zakan’ny fokonolona dia ny fakany ny tany  ,sy ny tanimbary . Matahotra avokoa ny fokonolona avy any Ambalabe Maitsokely, distrikan’Andilamena,  amin’izao fotoana izao,  ka ity ramatoa Mariette ity no nadray andraikitra niakatra teny anivon’ny manampahefana nanao ny fitoriana rehetra. Miantso ny fanjakana mahefa izahay, hoy izy ireo, mba hijery ny eny ambanivolo, satria raha manjaka ny dahalo dia izao indray ny mpisoloky no mampatahotra sy maka ny fanananay. Araka ny loharanom-baovao dia efa mandeha ny fikarohana ity vehivavy mpisoliky ity miaraka amin’ny namany ary ho hita eo ny tohiny.

Janus R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici