- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Nafindra toerana ireo mpitsara telo voarohirohy tamin’ny kolikoly

Toamasina : Nafindra toerana ireo mpitsara telo voarohirohy tamin’ny kolikoly

Niitatra ilay raharaha kolikoly nataona mpitsara sy fisolokiana nataon’ireo mpaneran’izy ireo nisandoka ho mpisolovava. Raha efa mamita ny saziny ao am-ponjan’Ambalatavoahangy ireo roa lahy voasambotra sy efa niakatra fitsarana ny volana aogositra teo, dia fantatra ihany koa izao fa nampidirin’ny minisiteran’ny fitsarana eo anivon’ny fitsarana ady heloka sy nafindra toerana ihany koa ireo mpitsarany miisa telo voalaza ho tafiditra tamin’izao raharaha izao. Nisy ny fanadihadiana nataon’ny birao manokana misahana ny fampanarahan-dalàna sy fampanajana ny etika eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana, izay notarihan’ny tale jeneraliny mihitsy teto Toamasina mikasika ity raharaha ity. Nisy ny fakana am-bavany ireo mpitsara voatonontonona ireo nandritra izany, nisy ihany koa ny fakana vaovao tamin’ireo polisy nisahana ilay raharaha fisolokiana sy nisandoka ho mpisolovava, teo ihany koa no nanadihadiany ireo roa lahy efa mamita ny saziny am-ponja, ary ny fanangonam-baovao nataony ihany koa tamin’ireo lehiben’ny sampam-pitsarana teto Toamasina. Taorian’izay no nandraisan’ny minisiteran’ny Fitsarana nandray ny fanapahan-kevitra nampiditra ny raharahan’izy ireo eo anivon’ny fitsarana, sy nandraisan’ny minisitera ihany koa didim-pitondrana namindra toeram-pitsarana iasan’ireto mpitsara telo voarohirohy ireto mandra-piandry ny sazy avy amin’ny minisiteran’ny fitsarana sy filan-kevitra ambonin’ny mpitsara mpanapaka ny sazy fanome ireo mpitsara mpandika lalàna.

Fantatra ihany koa, fa ankoatra ny tatitra nataon’ny filohan’ny sendikan’ny mpitsara sy ireo ekipany teto Toamasina, ny volana aogositra teo tamin’ny asa vita, ny fivoaran’ny hetsika ho fitakiana ny fahaleovan-tenan’ny mpitsara, ny tsy fitsabahan’ny fanjakana amin’ny raharaham-pitsarana, ary ny fampiharana ny didim-pitsarana mivoaka izay atao amin’ny anaran’ny vahoaka malagasy, dia isany nojeren’izy ireo akaiky ihany koa ny mikasika ity raharaha mpitsara voarohirohy nanao kolikoly sy nampiasa mpanera nanao fisolokiana sy nisandoka ho mpisolovava ity. Ho hita eo ny tohiny…

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici