- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversAmpefiloha : Lasan’ny jiolahy ny 4X4 nipetraka amoron-dàlana

Ampefiloha : Lasan’ny jiolahy ny 4X4 nipetraka amoron-dàlana

Fiara 4×4 marika Nissan iray no  very nisy nangalatra, ny marainan’ny alarobia 28 aogositra lasa teo, tao Ampefiloha ary mbola tsy hita hatramin’izao. Araka ny fanazavan’ny tompon’ilay fiara, teo amin’ny « parking » eo amoron’ny arabe io fiara io no nanjavona raha mbola tao an-trano avokoa izy mianakavy. Nambarany fa, misy mpiambina io toerana io na andro na alina, saingy tamin’ny fotoana tsy naha teo ny mpiambina no niseho ilay halatra. Amin’ny 7 ora maraina no miala ny mpiambina miasa alina ary tsy miditra kosa ilay miasa antoandro raha tsy amin’ny 9 ora sy sasany. Nilaza ny mbola nahatazana io fiara io ny zanaky ny tompony, tamin’ny 7 ora sy sasany maraina. Tamin’ny 9 ora sy sasany anefa, dia tsy teo intsony ilay fiara. Toa tsy dia nahataitra ny iray trano anefa izany satria noheverina fa sao olona ao an-trano ihany no nitondra azy. Olona telo ao amin’ny fianakaviana mantsy no manana ny lakilen’io fiara io raha ny fanazavana. Nony hariva tamin’ny 5 ora sy sasany anefa vao samy tonga saina, fa hoe tena very ny 4X4. Teo vao nanatona ny polisy misahana ny heloka bevava (BC) etsy Anosy ny tompony. Nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny polisy.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici