Tsy mino ny tenako fa, maty nananton-tena izany ny zanako. Ny renin’i Ferdinand, pôlisy (AP3) teo aloha ary voaroaka noho ny antony izay mbola nifamahofaho no nanazava. « Voalohany, dia nazava ny ‘autopsie’ izay nilaza fa, nisy dian-kenda teo amin’ny tendan’ny razana. Manarak’izany dia betsaka ary mifamahofaho ny resaka satria tamin’ny fahavelony dia nisy ‘plainte’ maro izay napetrany ary mahakasika tompon’andraikitra ambony izany. Tsy nisy tohiny avokoa izany fitarainana izany » hoy ihany ilay reny izay miady mafy ny mba hanarahan’ny tompon’andraiki-panjakana ny raharaha izay aminy dia vono olona. Na ny fomba nandroahana ny zanako tsy ho mpitandro ny filaminana intsony aza dia misy fitarainana betsaka mahakasika izany nataony : Bianco, Conseil d’Etat, Police. Nahazo dika mitovy amin’izany koa ny Praiminisitra tompon’andraikitra tamin’izany fotoana (2015), raha ny fanampim-panazavana avy aminy. Io farany dia mahita fa ny fahasahian’ity lehilahy maty tao anaty « violon » ity no ahiany ho antony nahafaty azy. Niakatra aty Andrenivohitra izy ankehitriny mba hitatitra ny nahazo an-janany ary hitety ny sampan-draharaham-panjakana miady amin’ny kolikoly sy ny fanamparam-pahefana. Isan’ny noteteziny ihany koa ny haino aman-jery. Tamin’ny 25 aprily teo no maty i Ferdinand ary tao anaty « violon » izy no nolazaina ho nananton-tena. Toe-javatra izay tsy eken’ny fianakaviany ary hiadian’ny reniny mafy ankehitriny.
D.R