- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversJiolahy roa voatifitra teny Ampasika : Niova ho Makarov sy basy vita...

Jiolahy roa voatifitra teny Ampasika : Niova ho Makarov sy basy vita gasy ny kalaky roa

Nampisavorovoro ny sain’ny maro, indrindra ireo mponina eny amin’ny faritra nitrangan’ilay fifampitifirana nisy teo amin’ny jiolahy sy ny SAG, ny harivan’ny Sabotsy teo, ny fanambarana nataon’ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, omaly mahakasika iny raharaha iny. Nohamafisin’ity Minisitra ity, ireo vaovao izay efa nambaran’ny gazety mpiseho isan’andro omaly, fa basy poleta marika Makarov sy basy vita gasy no tratra teny amin’ireto jiolahy voatifitra ireto. Manamafy anefa ireo milaza ho vavolombelona nahita iny tranga iny, fa Kalaky roa no nentin’ireo jiolahy ireo. Mametra-panontaniana ary ny maro hoe nankaiza ireo basy mahery vaika ireo ? Inona no antony nahatonga ilay fanovana ny tena zava-nisy ? Manoloana ny tsy fandriampahalemana sy ny tebiteby lava iainan’ny ankamaroan’ny olona eto Andrenivohitra ankehitriny ka mahatonga ny fihenan’ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitandro ny filaminana.Tsara angamba raha mba hitondra fanazavana mahakasika izao ny tompon’andraikitra voakasik’ity raharaha ity.

T.M. 

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici