Tsy kely làlana tokoa ny ratsy ankehitriny, ary niova fomba fiady indray amin’izao ny dahalo any Belo Tsiribihina, fa eny ambony lakana motera “kanoto” mitondra vahiny mpizahatany indray ireo malaso no manafika. Ny sabotsy tolakandro teo, dia mpizahatany roa vavy nandeha lakana kanoto niainga tao Begidro hihazo an’i Belo no notafihina dimy lahy nitondra basy teny afovoan-drano, ka lasa avokoa ny entan’ireo vahiny, toy ny: “carte bancaire” sy taratasy fahazoana mivezivezy azy roa vavy, ny vola, fakan-tsary avolenta, sns. Araka ny vaovao voaray avy any an-toerana, dia nandeha lakana misy motera nifofofofo mafy nanaraka an’ireto mpizahatany avy ao aoriana ireo malaso tanora sady nanapoaka basy. Raha vao nahita sy naheno izany ilay mpitondra kanoto nitondra an’ireto vahiny, dia voatery nijanona avy hatrany, ary voambana basy tsy nisy afa-nihetsika ny mpandeha lakana rehetra. Rehefa azon’ ireto andian-dahalo ny remby notadiaviny, dia lasa nandositra izy ireo, ka karohina fatratra amin’izao. Tsy nisy naratra na namoy ny ainy kosa ireo voatafika, hoy ny vaovao voaray hatrany.
Eric Manitrisa