Nitrangana lozan-dranomasina indray tao Maroantsetra ny Talata 5 septambra teo. Sambo iray na lakana môtera no ahalalan’ny maro azy any amin’iny faritra iny, mitondra ny anarana hoe « Fidelys » no rendrika tao amin’ny vivany hiditra an’ity any Maroantsetra. Araka ny fampitam-baovao avy t any an-toerana, nitondra entam-barotra sy olona 24 ity sambo ity izao niharan-doza izao. Vokany : olona 20 no avotra soa aman-tsara, efatra kosa no mbola tsy hita popoka hatramin’ny omaly. Voalaza fa rehefa nitranga ilay loza, dia nitsoaka nandositra ilay tantsambo nitondra ilay lakana. Amin’ny toe-javatra toy izao, dia tsy maintsy nalefa nozaham-pahasalamana sy notsaboina any amin’ny Hôpitaly ireo nieren-doza. Io Talata io ihany, dia fantatra fa efa nisy ny fivoriana nataon’ny eo anivon’ny « Organisme mixte de conception » na ny OMC izay tarihan’ny lehiben’ny distrika ka ivondronan’ireo tomponandraiki-panjakana any an-toerana mba handraisana ny fepetra rehetra ho amin’ny fanohizana ny fikarohana ireo olona mbola tsy hita. Heverina, fa tsy maintsy nodinihana tamin’izany ihany koa ny tokony handraisana fepetra mikasika ny fifamoivoizana an-dranomasina amin’iny faritra iny manoloana ny faharendrehana sambo nisesisesy tany an-toerana tato ho ato. Vao tsy ela akory fa tamin’ny fiandohan’ity, herinandro ity no efa nisy izany. Tokony hojerena akaiky ny mikasika ireny fitaovam-pitaterana ireny, satria iaraha-mahalala fa mahery dia mahery ny ranomasina amin’iny faritra iny.
T.M.