- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAnosibe-tsena : Mpanendaka sady mpanafika « cash point » vaosambotra

Anosibe-tsena : Mpanendaka sady mpanafika « cash point » vaosambotra

Mpanendaka efa nifampitadiavana teny amin’ny faritra Anosibe ary isan’ny nandray anjara tamin’ny fanafihana « Cash point » Airtel teny Anosizato tamin’ny volana Jona 2017 ka naharoba 700 000 ariary  no voasambotra ny Alahady 3 septembre lasa teo. Tamin’io andro io, olona hamonjy fodiana no nendahiny. Niantso vonjy ity farany ka nadray andrikitra avy hatrany ny Vaomeran’ny fandriam-pahalemana sy ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny Boriboritany faha-5 manana ny foiben-toerany etsy Mahamasina ka izao izy sarona teny Anosibe-tsena izao, teo akaikin’ny Pharmacie Volahanta tamin’ny 2 ora maraina izao. Mbola tratra teny aminy ny antsy lava lela nampiasainy tamin’ny asa ratsiny. 25 taona ity jiolahy ity, ary efa nigadra noho ny resaka fanedahana ihany. Ny taona 2015 izy no niditra teny amin’ny Fonjan’Antanimora ary nivoaka ny volana jona 2017. Araka izany, niverina any am-ponja indray izy  rehefa natolotra ny Fampanoavana omaly 6 septambra.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici