- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversHalatra Fiara : Any Mahajanga no fanaovana bizina Sprinter

Halatra Fiara : Any Mahajanga no fanaovana bizina Sprinter

Taorian’ilay nahitana ilay fiara Sprinter nangalarin’ireo jiolahy nisandoka ho mpivavaka teny Ambohidratrimo tany Ambato-Boeny, izay notaterina teto amin’ny gazety ny Alakamisy 08 Septambra, tsy niandry ela fa io daty io ihany dia nidina tany Mahajanga indray ireo  Zandary nanao ny famontorana iny raharaha iny. Noraisina izany fanapaha-kevitra noho ny fahitan’izy ireo fiara Sprinter iray hafa tao amin’ny garazy nandalovan’ilay Sprinter voalaza etsy aloha tao Mahajanga. Ity farany izay azo antoka, raha ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana, fa halatra ihany koa ary avy any Ambatolampy ny tompony. Ity farany izay nilaza fa tena azy io fiara io rehefa nampahafantarin’ny Zandary azy ny mombamomba ilay izy. Mihevitra ireo mpanao famontorana fa misy ifandraisany amin’ireo olona voasambotra tamin’ilay halatra voalohany ihany ity faharoa ity. Ireo voasambotra ireo, izay nisy no naverina notanana atao « garde à vue » eny amin’ny Borigadin’ny Zandary eny Ambohidratrimo indray mba hofotorana na dia nahazo fahafahana vonjimaika aza rehefa natolotra ny Fampanoavana ny Alakamisy lasa teo. Andrasana, noho izany, ny valin’ny dian’ireo zandary any Mahajanga. Ho voaporofo eto amin’izay angamba fa tena tambajotra lehibe tokoa no manao ity halatra Spriter ity, ary any Mahajanga no fanaovana bizina ny fiara halatra.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici